Professional African Business Woman
HO AN'IREO STARTUP SY PME MALAGASY TE MANDROSO HAINGANA

Itaro ny orinasanao amin'ny alalana Logiciel namboarina manokana Natao ho an'ny tsena Malagasy.

Aza avela hanakantsakana ny asanao intsony ireo template sy wordpress tsy mety ovana. Misitraha siteweb sy application misosa (Next.js, Node, Flutter) mifanaraka tsara amin'ny filanao.

Angataka audit maimaimpoana

Sao dia ireo logiciel ho an'ny sarambabe ampiasainao no manapotika ny asanao?

🧱

Misedra sakana

Ireo template sy vahaolana excel dia tsy mampikatso rehefa mivoatra ny orinasanao, ka miteraka sakana tsy tokony hisy.

👥

Fahaverezan'ny mpanjifa

Ny pejy ela misokatra sy ny logiciel sarotra ampiasaina dia mitarika fahasorenana, fialana, ary fahaverezam-bola be.

🥶

Olan'ny fampifandraisana

Mahasorena ny fampifandray ireo fomba fandoavam-bola eto an-toerana (M-Vola, Banky Malagasy) na API mifanaraka amin'i Afrika amin'ireo vahaolana omen'ny any andafy.

"Tsy mila abonnement itovizana amin'ny mpifaninana aminao ianao. Fa mila milina namboarina manokana hifanaraka amin'ny zava-misy iainanao eo amin'ny asanao."

Partners collaborating on dashboard

01.

Logiciel Misosa

Ny teknolojianay dia mifanaraka amin'ny connexion miadana nefa tsy manimba ny hakanton'ny endriny. Ataonay izay hisokafan'ny tranokalanao ao anatin'ny 1 segondra, na mampiasa tambajotra finday izany na fibre optique.

in-40 hevy ny afainganam-pandeha raha oharina amin'ny template sy wordpress.

Mobile payment interaction

02.

Natao ho an'ny Madagascar

Fampifandraisana mivantana amin'ny MVola, Orange Money sy ny banky eto antoerana. Tsy "mampiitra" fotsiny fa mampifanaraka azy indrindra amin'ny takian'ny tsena malagasy.

  • Fampidirana ny fandoavam-bola Mobile Money
  • Fizotran'asa amin'ny SMS sy USSD eto an-toerana
Tech team collaboration

03.

Paikady Marketing & Conversion

Tsy misy ilana azy ny site tsara bika raha tsy mivarotra. Ny tranonkala rehetra foroninay dia ahitana SEO avo lenta, landing pages faran'izay haingana, ary conversion tracking manomboka amin'ny andro voalohany.

Atokisan'ireo mpanorina mijery lavitra

"Plateforme iray feno no niarahanay miasa tamindry zareo. Raha projet iray isaky ny dimy taona no azonay, amin'izao projet mitentina 1 tapitrisa euro isan-taona no atombokay."

Ahl Logo

aujourdhuilavenir.org

Fikambanan-drelijiozy

"Tena mpiaramiasa mahafehy ny varotra en ligne avo lenta. Niova tanteraka ny fomba fivarotako boky rehefa nampiasa ireo logiciel sy tranonkala novokarindry zareo."

Ranoro Logo

Mr. Martin Rakotondranoro

Mpivarotra boky

Mpiara-miombon'antoka ara-teknolojia maharitra.

Logiciel natao mivoatra, maharitra , mandrindra ny famokaranao mba ahazoana tombony mivaingana no vokarinay

Hainga ny famolavolana

Mampiasa fomba fiasa 'agile' maoderina izahay mba hametrahana ny MVP-nao eo anoloan'ny mpanjifa ao anatin'ny herinandro vitsivitsy, fa tsy amam-bolana.

💰

Saram-pandraharahana mangarahara

Tsy misy sarany miafina na fisondrotam-bidy tsy ampoizina amin'ny fikojakojana. Manome vidiny mazava ary mifototra amin'ny lanjany ho an'ny tetikasa tsirairay izahay.

🛡️

Kaody voaaro (Secure Code)

Fenitry ny fiarovana mitovy amin'ny an'ny banky no ampiharina amin'ny logiciel tsirairay. Miaro ny mpanjifanao sy ny lazanao izahay.

Vonona hiala amin'ny fetran'ny excel sy wordpress ve ianao?

Na mila CRM namboarina manokana ianao, na vavahadin-tsena B2B sarotra, na e-commerce haingam-pandeha, dia manana ny haitao rehetra ahafahana manangana izany izahay.