Teknolojia mitondra fahazavana ho an'izao tontolo izao
Izahay dia agence
mpanamboatra tranokala sy
application mobile
Misehatra manokana amin'ny projet sur mesure.
Hatramin'ny
2020
Mahatoky ny fahaizamanaon'ny olombelona izahay. Izay toe-tsaina tia karokaroka sy tia mamorona izay no manosika anay isan'andro. Ny tanjonay dia ny hahatonga ny teknolojia ho fitaovana azon'ny rehetra ampiasaina sy anovozan-tsoa ary ahazahoana tombony eo amin'ny andavanandro-mpiainany.

"Misia ny mazava"Jenezy 1:3LIGHT STUDIO
Eny, io "Hazavana" io no anarana entinay. Mahalaza mazava tsara ny antom-pisianay sy ny zavatra ataonay izany. Satria ny hazavana dia mampiharihary ny hatsarana sy ny hakanton'ny zavatra iray. Ny tara-pahazavan'ny maraina ihany koa dia mariky ny fanombohana sy ny fanantenana vaovao. Miezaka ho izany Hazavana izany izahay.
WE ARE LIGHT
MAMORONA SY MANORINA MIARAKA

Fondateur & Responsable du Développement
Josephin
Izy no angady nananana sy vy nahitana ny Light Studio. Matematisianina sy 'Developpeur' izy. Raha resaka code aloha dia tsy misy maharesy azy izahay hatreto, manome hevitra fotsiny ianao, avy hatrany izy manoratra azy ho code. Lery koa dia bandy tena organisé be, tsy mahay manao zavatra mikorontana mihitsy izy. Ho azy dia mandeha isan'ambaratongany ny zavatra rehetra. Mandritra ny fotoana ivelan'ny asa dia matetika laniny amin'ny fankafizana ny natiora ny androny.

Designer en Chef
Stéphane
Izy no fototry ny famoronana ato aminay. Miaraka amin’ny traikefa 8 taona ananany, designer ary koa mpahay toe-karena, mahafehy tsara ny fomba hanovàna hevitra ankapobeny ho lasa marika hita maso matanjaka izy. Manana talenta manokana amin'ny fanakarana ny olan'ny mpanjifa izy. Izany no ahafahany mandrafitra logiciel mora ampiasaina sy kanto. Ny traikefa ananany eo amin'ny sehatry ny "Motion Design", "Montage Vidéo" sy ny fakana sary maty hanina dia mandrakotra ny asany fihetseham-po lalina.

Strategiste de Contenu
Mickaël
Tao anatin’ny 3 taona, i Mickaël no nanefy ny teny entina manintona. Copywriter sy content strategist, avy amin’ny alalan'ny fahafantarany ny filan'ny olona no anoratany lahatsoratra mahasarika sy mandresy lahatra. Anisan'ny zavatra tena mahaliana azy ny psikolojia. Tsy sasatry ny mianatra sy mikarora zava-baovao izy. Ivelan'ny asa, olona tia mandinaka ny fomban'ny olona i Mickaël.